Hetsika entin’ny Agrical sy Agrifarm maneho ny maha-lohalarana azy amin’ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana sy ny finiavany hanakaiky ireo mpanjifa azy ny fidinana ifotony ataon’ireo mpiara-miasa aminy miaraka amin’ny fiarabe Karaval. Mitety ny tanànan’Antananarivo sy ny manodidina azy isan’andro ity fiara ity mba hanorina fifandraisana akaiky sy mivantana amin’ireo mpanjifa azy.
Azo lazaina ho fahombiazana ny hetsika Karaval tamin’ny taon-dasa izay nahafahany nitety lalana 90 sy nanao fanentanana miisa 550. «



