INVISO Group Madagascar
miasa ho an'ny
fampandrosoana.
ho fanasongadinana ny tanjaky ireo faritra misy anay.
ho an’ny fampandrosoana sy ny famoronana lanja
lovainjafy ho an’i Madagasikara.
Mametraka rafitra ho an’ny lalam-pihariana ny Inviso Group mba hampisongadina ny herin’ny faritra tsirairay eto Madagasikara.
Traikefa sy fahaiza-manaon’ny mpiasa 2 200, fanoitra ho an’ny fampandrosoana sy ny famoronana harena manan-danja.
Vondron'orinasa mandray andraikitra,mitondra fiantraikany tsara ho an'ny Firenena
Efa hatramin’ny taona 1987 no mpanangana ny INVISO Group, ary nanova ny fahafahan’i Madagasikara ho fitomboan’ny harin-karena lovainjafy. Ny fametrahana rafitra tompon’andraikitra ho an’ireo lalam-pihariana sy ny fanomezan-danja ny fahaiza-manaon’ny Malagasy dia fametrahana harena eny anivon’ny faritra mba hahafahan’ny Malagasy rehetra misitraka mivantana ny sandan’ny asa atao sy ny harena voaforona.
Ny fanavaozana sy ny maha-olona no fototry ny fiantraikany tsara entinay.
Ireo sehatrasa iasanay
Mikambana amina seha-pihariana maro, ny Vondrona INVISO dia maneho ny fahaiza-manaony amin’ny alalan’ireo sehatr’asa
dimy mifameno. Io fahasamihafana io no ahafahanay miasa amin’ireo rojom-pihariana
mitondra vokatra sy mamorona harena, ka hahafahanay manohana ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
INVISO Group
Ireo tarehimarika vitsivitsy
Manavao ho an’ny faritra rehetra, miasa ho an’ny olona : ireo no iraka manosika ny asa rehetra ataon’ny INVISO Group. Ny vokatra azonay dia hita amin’ny tondro mazava ary maneho ny anjara andraikitra raisinay amin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny fiarahamonina eto Madagasikara. Ireto avy ireo tarehimarika mampiseho ny fiantraikan’ny fandraisanay andraikitra amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina :
Asa tsy mivantana mihoatra ny 200 000 manerana an’i Madagasikara
Asa tsy mivantana manerana an'i Madagasikara
Mpiara-miasa
mivantana
Toerana iasana manerana ny Nosy
Marika mitondra ny fahaiza-manao Malagasy Ny Antsika
Tenin'i filoha Tale Jeneraly
Hatramin’ny niforonany dia tsy niova ny vinan’ny INVISO Group : ny hampiova ny fahafahan’i Madagasikara ho fanoitra amin’ny fitomboan’ny harin-karena mampiaty. Ny fiaraha-miasa amin’ny fanomezan-danja ny maha-olona sy ny fanavaozana no anasongadinanay ny fahaiza-manaon’ny Malagasy ka hametrahanay rafitra lovainjafy ho an’ireo zotram-pihariana mifanindran-dalana amin’ny filan’ny faritra. Ny fanapahan-kevitra rehetra raisinay dia mifanitsy amin’ny fehezanteny nataonay sonia “Think Impact”, satria mino izahay fa ny fahombiazana ara-toekarena dia tsy misy dikany raha tsy mitondra fandrosoana ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana.
Ny fahaiza-manaon’ireo mpiara-miasa aminay no herinay, ary ny faharisihan’izy ireo no mamadika ireo fanamby ho vokatra azo tsapain-tanana ho an’ny Firenena. Vahatra ifikiranay ny soatoavina malagasy, ary fehezanteny tsotra no manosika anay hiroso : “Asa fa tsy kabary”.
Danil ISMAEL
Président Directeur Général
INVISO Group
tsy kabary
Danil ISMAEL
Filoha Tale Jeneraly –
INVISO Group
Actu 2026 de Inviso Group
In'Malaza
Actu Groupe
Actu Impact
Actu Groupe
MOI
Médecin de l'ocean indién
mpiara-miasa amin'ny Group Inviso
Vonjy taitra eto Madagasikara:
Ampio izahay hitsabo olona 15 000 isa !
Nanomboka ny 2 ka hatramin’ny 11 jona 2026, ny ONG Médecins de l’Océan Indien sy ny ONG INVISO dia mihetsika ao Atsimo (Ambovombe, Amboasary Sud, Antanimora Sud) eto Madagasikara.
Mila anareo izahay mba hahafahana manome fitsaboana maimaim-poana, sakafo mafana ary fitaovana fitsaboana.
Fanampiana
- Airtel Money: 033 98 885 21
- MVola: 038 45 435 52
- Orange Money: 037 31 366 16
- Virement (ONG MOI Madagascar): MG46 0000 8000 0505 0040 1339 210
Ny vaovaonay farany
Araho eto ny fiainan’ny Vondrona : ireo zava-nisongadina, ny fanavaozana entin’ireo orinasa ary
ny hetsika azo tsapain-tanana eny an-kianja.
Eto no ahitanao ny vaovao mikasika ny asanay sy ny fiantraikan’izany eny anivon’ny fiarahamonina.
'Ndao hiaraka hanangana ny ho avy
Izahay ato amin’ny INVISO Group dia misafidy ny hanavao, hanova ary hanolotra ny tsara indrindra, mba hananganana an’i Madagasikara rahampitso. Hivadika ho hery mitondra fiantraikany mivaingana sy ho reharehan’ny firenena ny fahaiza-manao sy ny traikefa entinao raha miara-miasa aminay ianao.
Manana faniriana handray andraikitra sy hiatrika fanamby lehibe ve ianao ? Aza mijanona ho mpijery fotsiny, fa midira ho mpandray anjara amin’ny fanovana. Arotsahy dieny izao ny fangatahanao hiaraka hiasa aminay, mba hanome lanja vaovao ny fivoaranao eo amin’ny sehatry ny asa.