Nanao sonia fifanaraham-piara-miasa stratejika ny ESSA sy ny INVISO Group ny 23 janoary 2023 mba ho fanohanana sy fampandrosoana ny sehatry ny agribusiness eto Madagasikara. Ny Profesora Hery RAZAFIMAHATRATRA sy Andriamatoa Danil ISMAËL no nanasonia ny fifanaraha izay mikendry ny hanamafy ny fampidirana ny tanora amin’ny tontolon’ny asa. Tafiditra ao anatin’izany ny fanolorana vatsim-pianarana mitentina 30 tapitrisa ariary hozaraina amin’ireo mpianatra mendrika indrindra, ny fanamafisana tekinika ireo taninketsa fampianarana ary ny fampitana fahaiza-manao ataon’ireo orinasan’ny vondrona.
Nosantarina tamina fifanakalozan-kevitra nataon’ny Filoha mpanorina ny vondrona INVISO Group manoloana ireo mpianatra tao amin’ny efitrano lehiben’ny Sekoly izany fiaraha-miasa izany. Nandritra io fifanakalozana io dia nizara ny heviny momba ny fahaleovantenan-tsakafo sy ny fandraharahana Andriamatoa Danil ISMAËL. Torohevitra sy fomba fijery ahafahana mamadika ny vina ho asa, mifototra amin’ny teny filamatra hoe “Asa fa tsy kabary” no nozarainy nandritra ny lahateniny. Ny fampiraisana ny fahalalana akadelika sy ny traikefa eny an-kianja dia ahafahana manangana vahaolana eo amin’ny tontolon’ny fambolena mba ho an’ny ho avin’i Madagasikara.



