Manamafy ny toerany eo amin’ny tontolo nomerika ireo orinasa misehatra amin’ny fiarakodia eo anivon’ny INVISO Group. Nahazo tranonkala vaovao izay azo arahina amin’ny rohy idrental.mg sy idmotors.mg izy ireo.
Manamora ny dingana rehetra takiana rehefa te hisitraka ny tolotra omen’ny orinasa roa tonta ireto tranonkala ireto, satria ahafahana mijery ny fiara sy ny fitaovana rehetra atolotray, sy ireo takelaka maneho ny pitsopitsony tekinika an’ny fiara misy, ny fangatahana tombambidy. Amin’ny maha-mpanorina anay dia mampiasa vola amin’ireo fitaovana nomerika izahay mba hanamora ny andavananron’ireo mpanjifa anay ary mba hamalianay haingana azy ireo rehefa ilaina izany. «



