First Energy First Energy
Niorina tamin’ny taona 2013, ny FIRST ENERGY dia mikendry ny hahatonga ny tetezamita angovo ho lasa mpamily lehibe amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
Amin’ny fiaraha-miasa amin’ny SMA, mpitarika maneran-tany amin’ny angovo avy amin’ny masoandro, dia manangana sy mitantana toby famokarana angovo hybride mahomby izy.
Manolotra vahaolana mifanaraka amin’ny filan’ny orinasa ihany koa izy mba hampihenana ny entona miteraka fahalotoana (empreinte carbone) na hahatratra fahaleovantena ara-angovo.
Ny asany dia manampy amin’ny fanokafana sy fanatsarana ny fidirana amin’ny herinaratra any amin’ireo faritra lavitra sady mandrisika ny fandrosoana ara-tsosialy.