Asa misy fiantraikany mitondra fampandrosoana Asa misy fiantraikany mitondra fampandrosoana
Vondron’orinasa miasa amin’ny sehatrasa maro eto Madagasikara ny INVISO Group ary fahamatorana sy vina lavitra ezaka no ampiarahanay mba hanohanana ny fampandrosoana ara-toekarena eto amin’ny firenena.
Amin’ny alalan’ny fomba fiasa mirindra sy manaja ny maha-olona no hametrahanay vahaolana manavao izay sady mamaly ny filàna fototra no manomana ho avy mirindra kokoa.
Ny Iraka imasoanay
Amin’ny maha-mpisehatra anay ho amin’ny fanovàna, dia manambatra ny fanavaozana sy ny fahaiza-manao izahay ao amin’ny INVISO Group mba hiatrehana ny fiovan’ny toekarena sy ny fiarahamonina eto Madagasikara.
Ny maha-malagasy no vahatra ifikiranay ka entinay manasongadina ny fahafahan’ny faritra tsirairay amin’ny alalan’ny fandrindrana ireo rojom-pihariana sy ireo asa fanodinana manan-danja eto an-toerana.
Ny tanjonay dia ny hampiova ny harena eto amin’ny firenena ho vokatra ilaina sy mora sitrahana, amin’ny alalan’ny fampiasam-bola any amin’ny faritra, eny fa na ireo heverina fa lavitra aza. Ny fanajana ny mahaolona izay efa raiki-tampisaka aminay, sy ny adidy iantsorohanay eo amin’ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana no mandrisika anay hitondra fanatsarana amin’ny fiainana andavanandron’ireo mpiray tanindrazana aminay, amin’ny alalan’ny asa sy ezaka ataonay.
Miaraka manangana ho avy feno fiandrianana izahay, ka ny tetikasa tsirairay dia miorina amin’ny tarigetranay : Think Impact.
Hafatra avy amin’ny Filoha
Hatramin’ny niforonany dia tsy niova ny vinan’ny INVISO Group : ny hampiova ny fahafahan’i Madagasikara ho fanoitra amin’ny fitomboan’ny harin-karena mampiaty. Ny fiaraha-miasa amin’ny fanomezan-danja ny maha-olona sy ny fanavaozana no anasongadinanay ny fahaiza-manaon’ny Malagasy ka hametrahanay rafitra lovainjafy ho an’ireo rojom-pihariana mifanindran-dalana amin’ny filan’ny faritra. Ny fanapahan-kevitra rehetra raisinay dia mifanitsy amin’ny fehezanteny nataonay sonia “Think Impact”, satria mino izahay fa ny fahombiazana ara-toekarena dia tsy misy dikany raha tsy mitondra fandrosoana ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana.
Ny fahaiza-manaon’ireo mpiara-miasa aminay no herinay, ary ny faharisihan’izy ireo no mamadika ireo fanamby ho vokatra azo tsapain-tanana ho an’ny Firenena. Vahatra ifikiranay ny soatoavina malagasy, ary fehezanteny tsotra no manosika anay hiroso:
tsy kabary
Danil ISMAEL
Président Directeur Général
INVISO Group
tsy kabary
Danil ISMAEL
Président Directeur Général,
INVISO Group
Ekipa manana vina lavitra sy feno fanoloran-tena
Ireo mpitantana / Ny Filankevi-pitantanan’ny INVISO Group, eo ambany fitarihan’ny fianakaviana ISMAEL, dia ivondronana mpitarika manana vina ary manolo-tena ho amin’ny fanovàna an’i Madagasikara.
Ny fitarihan’izy ireo dia mametraka ny kalitaon’ny asa fanodinana sy ny maha-olona ho ivon’ny fampandrosoana ny faritra tsirairay.
Directeur Général Groupe
Directeur Général Groupe
Président Directeur Général
Présidente de l’ONG Inviso
Directeur Général Groupe
Ireo zava- nisongadina teo aminay
reo fotoana manan-tantara / Tamin’ny taona 1987 no niorina ny INVISO Group ary nandia lalana miavaka. Niainga tamina fandraharahana tsotra izy ary efa isan’ireo orinasa misehatra eo amin’ny indostria manana ny maha-izy azy am-polontaona taty aoriana.
Tsy nitsahatra nivoatra ny INVISO Group hany ka tafiditra ho anisan’ireo andry iankinan’ny toekarena malagasy ankehitriny, noho ny asa fanavaozana sy fanitarana mitohy nataony.
1981 Dani Pièce
1995 SMTP GROUP
2002 Agrivet Madagascar
2010
Agrifarm & Agrival
2012
Mabel Le choix du goût
2013
Bovima, Ferris Engineering & Agrivet (Sakafon'omby)
2014
ID Motors
2015
First Energy, Agrikoba & LA CITY
2016
Amcho
2018
ID Rental & 2424 MG
2019
NutriFood & FJ Téchnologie
2020
SALAMA (Voalohan-karena)
2021
Renaming INVOSO GROUP
i-lease
2022
INTERKEM
Think chemicals
2024
PIQLA
2424.FR
Publispace
2026
PRODUCTION VEGETALE D'ANTSIRABE
anoloran-tena isan’andro ho an’ny Malagasy
Avadiky ny INVISO Group ho fanoitra ho an’ny fampivoarana ny maha-olona ny tanjaka ananany eo amin’ny sehatry ny indostria. Ny fanomezan-danja ny famoronana harena isam-paritra no laharam-pahamehany amin’izany. Ny fiantraika azo tsapain-tanana no tena fahombiazanay. Manodina ny harena eto Madagasikara izahay mba hisitrahan’ny faritra rehetra tombontsoa, manomboka amin’ireo tanàn-dehibe hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra.
Mba hanatanterahana izany vina izany dia napetrakay ho ivon’ny fandraisanay andraikitra eo amin’ny fiarahamonina ny ONG INVISO. Amin’ny alalan’ny hetsika mivaingana sy azo refesina eny an-kianja no hitondrany fanovana eo amin’ny andavanandrom-piainan’ny tsirairay, ka hanaporofoanay fa ny maha-olona no fototry ny asa rehetra ataonay.