First Energy First Energy
Tamin’ny taona 2013 no niorina ny orinasa FIRST ENERGY ka ny hametraka ny fiovàna ara-angovo ho fanoitra amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara no tanjony.
Miara-miasa amin’ny SMA Solar Technology, anisan’ny sangany amin’ny sehatry ny angovo avy amin’ny masoandro, dia manangana sy mitantana tobim-pamokarana angovo mifangaro (hybride) mahomby izy.
Manolotra vahaolana mifanaraka amin’ny filàn’ny orinasa ihany koa izy, ho an’ireo maniry hampihena ny fiantraikany ara-tontolo iainana na hahatratra fahaleovantena eo amin’ny sehatry ny angovo.
Manampy amin’ny fanalàna fitokana-monina ara-angovo any amin’ireo faritra lavitra ary manohana ny fandrosoana ara-tsosialy ireo asa ataon’ny orinasa.
- Mpiara-miombona antoka stratejika : SMA Solar Technology (laharana voalohany maneran-tany amin’ny angovo azo avy amin’ny masoandro)