Seha-pihariana'i Inviso Group Seha-pihariana'i Inviso Group
Ireo sehatr'asanay Ireo sehatr'asanay
Seha-piasana miisa 05, izay mampivondrona orinasa 27 manerana an’i
Madagasikara manontolo.
Seha-panodinana ireo vokatry ny fambolena / Mihoatra ny 72 % amin’ny Malagasy no mivelona amin’ny tany, ka mahatonga ny fambolena ho fototry ny toekarena sy ny maha-izy antsika.
Zava-dehibe araka izany ny fampandrosoana ny seha-panodinana ireo vokatry ny fambolena na ny agribusiness.
Tanjona amin’izany ny hahatonga ny fahafahana ananan’i Madagasikara eo amin’ny tontolon’ny fambolena ho loharanon’ny fitomboan’ny harinkarena sy hiantohana ny fahaleovantenan-tsakafo eto amin’ny firenena.
Varotra sy Tolotra / Ny sehatry ny Varotra sy Tolotra no itondran’ny INVISO Group fampivoarana eo amin’ny fiainana andavanandron’ny Malagasy, amin’ny alalan’ny fametrahana vahaolana miankina amin’ny teknolojia sy ny angovo avo lenta.
Manamora ny fisitrahan’ny mponina ireo tolotra mamaly ny filana fototra sy mampiroborobo ny fifanakalozana ary manaraka ny fivoarana nomerika izahay amin’ny fampirindrana ny fanavaozana sy ny fanatonana ny mpanjifa.
Fananan-tany sy fanorenana / Mpisehatra manana ny toerany eo amin’ny fanajariana ny tany ny INVISO Group ary manorina fotodrafitrasa stratejika hanohanana ny fitaran’ny tanàn-dehibe sy ny fampivoarana an’i Madagasikara.
Mandraharaha manerana ny Nosy izahay ary mitondra fanatsarana lovainjafy eo amin’ny tontolon’ny fanorenana ka toerana mifanaraka amin’ny fenitra avo lenta sy ny filàn’ny mponina no aorinay amin’izany.
Indostria / Amin’ny maha-mpisava lalana azy eo amin’ny sehatry ny indostria eto Madagasikara, dia mametraka ny kalitaon’ny famokarana ho fototry ny paikadiny amin’ny fampandrosoana ny firenena ny INVISO Group.
Ny fanodinana ireo vokatra eto an-toerana dia entinay mitondra fanovana matanjaka.
Manodina ny harena misy eto Madagasikara izahay , mba hananganana toekarena mahaleo tena sy mahazaka fifaninanana.
Fampitaovana sy fitaterana / Singa manan-danja ao amin’ny rojom-pamoronana harena ny INVISO Group.
Miantoka ny fanamorana ny fivezivezin’ny entana sy ny fifanakalozana manerana an’i Madagasikara izy amin’izany ary tambajotram-pampitaovana matanjaka sy mahomby no ampiasainy amin’izany.
Mampifandray ireo ivon-toeram-pamokarana hatrany amin’ireo faritra lavitra indrindra izahay ary miantoka ny fahafahan’ny besinimaro misitraka ny vahaolana atolotray izahay, sy ny fanamafisana ny fahaleovan-tena ara-toekarena.