Seha-panodinana ireo vokatry ny fambolena Seha-panodinana ireo vokatry ny fambolena
Mihoatra ny 72 % amin’ny Malagasy no mivelona amin’ny tany, ka mahatonga ny fambolena ho fototry ny toekarena sy ny maha-izy antsika. Zava-dehibe araka izany ny fampandrosoana ny seha-panodinana ireo vokatry ny fambolena na ny agribusiness. Tanjona amin’izany ny hahatonga ny fahafahana ananan’i Madagasikara eo amin’ny tontolon’ny fambolena ho loharanon’ny fitomboan’ny harinkarena sy hiantohana ny fahaleovantenan-tsakafo eto amin’ny firenena.