Fandraisana andraikitra ivon’ny asa Fandraisana andraikitra ivon’ny asa
Mpanatanteraka ny andraikitra ara-tsosialinay, mametraka ireo vahaolana mivaingana mba hanovana maharitra ny andavanandron’ireo mponina tena marefo eto amin’ny firenena ny ONG INVISO.
Ny irakay dia hita taratra amin’ny fiantraikany azo refesina amin’ny alalan’ny fampianarana ireo tanora, fisitrahana fitsaboana, antoka ara -tsakafo ary ny fiarovana ny tontolo iainana.
Eo am-pametrahana ny hasina maha olona, avadikay ho fanoitra mitondra fandrosoana ho an’ny isam-batan’olona ny soatoavinay ny lanjanay.
Akony sosialy ivon'ny fisianay
Mba hanehoanay mivaingana ny soatoavina ijoroanay dia manatanteraka asa voafaritra tsara sy azo refesina eny ifotony ny ONG Inviso.
Izy no andry iankinan’ny asa sy andraikitra raisinay eny anivon’ny fiarahamonina ka fandaharanasa telo lehibe mitondra fanovana eo amin’ny fiainan’andavanandron’ny mponina no imasoany sy anokanany ny angovony rehetra :
Ny fandaharanasa “Ecoles”
Manampy amin’ny ady amin’ny fialàn’ny ankizy an-tsekoly amin’ny alalan’ny fanohanana amin’ny sakafo, fahadiovana ary fotodrafitrasa.
Ny fandaharanasa Soamadina
Manamora ny fahazoana fitsaboana sy fanohanana ara-pahasalamana manerana an’i Madagasikara.
Ny fandaharanasa Miharina
Manabe sy manohana ny fiarahamonina amin’ny fampandrosoana maharitra mba hananganana hoavy tsaratsara kokoa.
Midika izany fa misafidy hanorina fahombiazana izay tsy refesina amin’ny vokatra ara-bola fotsiny, fa koa amin’ny lanjany ara-olona sy ara-tontolo iainana.
Eritrereto ny fiantraikany, dia midika izany fa miasa amin’ny lafiny telo fototra :
Fandinihana mialoha &
andraikitra
Manadihady ny fiantraikan’ny asanay amin’ny mpiasa, ny mpanjifa ary ny mpiara-miombon’antoka izahay, mba hiantohana fitomboana izay mahasoa ny rehetra.
Fanamafisana
ny zavatra tsara
Manetsika ny herinay izahay mba hahazoan’ny tetikasa tsirairay manamafy maharitra ny firafitry ny toekarena any amin’ny faritra sy ny fahasambaran’ny mponina amin’ny fotoana maharitra.
Fahamalinana
ara-tontolo iainana
Manolo-tena amin’ny fomba fiasa fanatsarana tsy mitsaha-mitombo izahay mba hampihenana ny entona karbôna aterakay sy hitandroana ireo harena voajanahary miavaka eto Madagasikara.
Ny olombelona no milina mamelona anay
Ny olombelona miara-miasa aminay no fanoitra sy milina antoky ny fahombiazana ao amin’ny INVISO Group. Omenay lanja sy anjara toerana lehibe ato aminay araka izany ny kalitaon’ny fiainana sy ny fepetra iasana (QVCT – Qualité de vie et des conditions de travail). Matetika dia mihoatra lavitra noho ny fenitra takiana izany mba hiantohana tontolo iasana azo antoka, mampiaty ary mandrisika ireo mpiara-miasa. Heverinay fa ny fahasamihafana misy eo amin’ny tsirairay dia loharanon’ny fanovana ka mitarika ny tsirairay hivelatra ao anatin’ny kolontsain’ny fifanajana sy fikatsahana hatrany ny tsara indrindra.