Fananan-tany sy fanorenana Fananan-tany sy fanorenana
Mpisehatra manana ny toerany eo amin’ny fanajariana ny tany ny INVISO Group ary manorina fotodrafitrasa stratejika hanohanana ny fitaran’ny tanàn-dehibe sy ny fampivoarana an’i Madagasikara. Mandraharaha manerana ny Nosy izahay ary mitondra fanatsarana lovainjafy eo amin’ny tontolon’ny fanorenana ka toerana mifanaraka amin’ny fenitra avo lenta sy ny filàn’ny mponina no aorinay amin’izany.