SMTP SMTP
Efa hatramin’ny taona 1987 no manamboatra vokatra vita amin’ny plastika sy polyester ny orinasa SMTP izay anisan’ireo indostria lazaina fa mpisava lalana eto Madagasikara.
Ny hampihena ny fanafarana vokatra avy any ivelany no imasoan’ny orinasa, ary ny hamorona lanja fanampiny eto amin’ny firenena.
Mamaly ny filana fototra eto amin’ny firenena ny vokatra atolotry ny SMTP, tahaka ny fitehirizan-drano, ny fonosana, fantsona ary fitaovana fanorenana.
Manokana vola betsaka amin’ny fanodinana indray ireo plastika ny orinasa SMTP mba hampihenana ny fiantraikany amin’ny tontolo iainana.
- Tarehimarika misongadina : plastika mihoatra ny 420 taonina averina ampiasaina isan-taona