Toeram-pambolena sy fiompiana Agrifarm
Mpandray anjara lehibe eo amin’ny sehatry ny fiompiana akoho amam-borona eto Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 2010, ny AGRIFARM dia manam-pahaizana manokana amin’ny famokarana sy fizarana zana-akoho iray andro (poussins d’un jour).
Efa hatramin’ny taona 2010 no anisan’ireo mpisehatra manan-danja eo amin’ny rojom-pamokarana akoho amam-borona eto Madagasikara ny Agrifarm. Manam-pahaizana manokana amin’ny famokarana sy fizarana zanak’akoho vao foy, vao teraka indray andro izy. Mamokatra karazan-janak’akoho sokajiana ho isan’ny tsara kalitao ny toeram-piompiany any Talata Volonondry, anisan’ireny ny zanak’akoho “Super Mafonja Plus”. Miasa amin’ny fampandrosoana ny faritra ny orinasa, amin’ny alalan’ny fanomezana vokatra avo lenta ho an’ny mpiompy malagasy, na akoho mpanatody lava io na akoho fakana nofo. Singa manan-danja amin’ny fiantohana ny fanjarian-tsakafo eto amin’ny firenena izy.
- Niorina tamin’ny taona 2010
- Vokatra fanta-daza : zanak’akoho “Super Mafonja Plus”