Salama Salama
Miara-miaina isan’andro amin’ny tokantrano malagasy ny INVISO Group amin’ny alalan’ny marika SALAMA (ilaina amin’ny fidiovana) sy OASIS (ilaina amin’ny fanadiovana).
Ireo marika ireo dia manolotra savony, shampooing ary vokatra fanadiovana trano avo lenta sy manaraka ny fenitra, ary amin’ny vidiny mifanaraka amin’ny fahefa-mividin’ny Malagasy.
Mamaly ny fanamby atrehin’i Madagasikara amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka ity orinasa ity satria manamora ny fahafahan’ny rehetra misitraka vokatra ilaina amin’ny fahadiovana.
Manao asa fanavaozana isan’andro ny orinasa mba hahafahana manome tolotra ampiasaina amin’ny fahadiovana sy fanadiovana ary fanatsarana endrika amam-bika mahomby sy mora vidy.
- Vokatra lehibe : Savony, fanasana loha, menaka fanorana, vokatra ilaina amin’ny fanatsarana endrika amam-bika sy amin’ny fanadiovana.