Amcho Amcho
Manandratra sy manome lanja ny kakaô avy eto Madagasikara ny orinasa mpanamboatra sôkôla AMCHO amin’ny fametrahana rafitra fohy sy varotra ara-drariny.
Miara-miasa amin’ny Beyond Good izy ary manohana mpamboly mihoatra ny 100 any amin’ny faritra Avaratry ny Nosy izy, amin’ny alalan’ny fanodinana mivantana ny kakao eny an-toerana.
Mandingana ireo mpanelanelana ity fomba fiasa ity ary miantoka fidiram-bola ara-drariny ho an’ny mpamboly.
Manaporofo ny AMCHO fa fanoitra lehibe hahafahana miady amin’ny fahantrana ny fanodinana ny vokatra eto an-toerana amin’ny fomba lovainjafy.
- Mpamboly mihoatra ny 100 no mahazo tohana
- Nitombo ho 4 $ isan’andro ny fidiram-bolan’ny mpamboly raha toa 0,5 $ izany teo aloha.