Bovima Bovima
Ao Fort-Dauphin no misy ny foiben-toeran’ny orinasa BOVIMA, orinasa afa-kaba misehatra amin’ny famokarana henan’omby, henan’ondry ary henan’osy ambony kalitao.
Mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny toekaren’ny faritra Androy sy Anosy ny orinasa amin’ny fiarahany miasa akaiky sy mivantana amin’ireo mpiompy eny ambanivohitra.
Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny ozinina fanodinana ampiasain’ny BOVIMA, no sady manome lanja ny biby fiompy eto an-toerana.
Mandray anjara amin’ny fanovana ny fomba fiompiana nentim-paharazana ho lasa sehatra fanondranana mahomby ny tetikasa.
- 60 %-n’ny mponina eo an-toerana no miankina amin’ny fiompiana ao amin’ny faritra iasanay