Asa misy fiantraikany  mitondra fampandrosoana Asa misy fiantraikany  mitondra fampandrosoana

Asa misy fiantraikany mitondra fampandrosoana

Vondron’orinasa miasa amin’ny sehatrasa maro eto Madagasikara ny INVISO Group ary fahamatorana sy vina lavitra ezaka no ampiarahanay mba hanohanana ny fampandrosoana ara-toekarena eto amin’ny firenena.

Amin’ny alalan’ny fomba fiasa mirindra sy manaja ny maha-olona no hametrahanay vahaolana manavao izay sady mamaly ny filàna fototra no manomana ho avy mirindra kokoa.

Ny Iraka imasoanay


Amin’ny maha-mpisehatra anay ho amin’ny fanovàna, dia manambatra ny fanavaozana sy ny fahaiza-manao izahay ao amin’ny INVISO Group mba hiatrehana ny fiovan’ny toekarena sy ny fiarahamonina eto Madagasikara.

Ny maha-malagasy no vahatra ifikiranay ka entinay manasongadina ny fahafahan’ny faritra tsirairay amin’ny alalan’ny fandrindrana ireo rojom-pihariana sy ireo asa fanodinana manan-danja eto an-toerana.

Ny tanjonay dia ny hampiova ny harena eto amin’ny firenena ho vokatra ilaina sy mora sitrahana, amin’ny alalan’ny fampiasam-bola any amin’ny faritra, eny fa na ireo heverina fa lavitra aza. Ny fanajana ny mahaolona izay efa raiki-tampisaka aminay, sy ny adidy iantsorohanay eo amin’ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana no mandrisika anay hitondra fanatsarana amin’ny fiainana andavanandron’ireo mpiray tanindrazana aminay, amin’ny alalan’ny asa sy ezaka ataonay.

Miaraka manangana ho avy feno fiandrianana izahay, ka ny tetikasa tsirairay dia miorina amin’ny tarigetranay : Think Impact.

Hafatra avy amin’ny Filoha

Hatramin’ny niforonany dia tsy niova ny vinan’ny INVISO Group : ny hampiova ny fahafahan’i Madagasikara ho fanoitra amin’ny fitomboan’ny harin-karena mampiaty. Ny fiaraha-miasa amin’ny fanomezan-danja ny maha-olona sy ny fanavaozana no anasongadinanay ny fahaiza-manaon’ny Malagasy ka hametrahanay rafitra lovainjafy ho an’ireo rojom-pihariana mifanindran-dalana amin’ny filan’ny faritra. Ny fanapahan-kevitra rehetra raisinay dia mifanitsy amin’ny fehezanteny nataonay sonia “Think Impact”, satria mino izahay fa ny fahombiazana ara-toekarena dia tsy misy dikany raha tsy mitondra fandrosoana ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana.

Ny fahaiza-manaon’ireo mpiara-miasa aminay no herinay, ary ny faharisihan’izy ireo no mamadika ireo fanamby ho vokatra azo tsapain-tanana ho an’ny Firenena. Vahatra ifikiranay ny soatoavina malagasy, ary fehezanteny tsotra no manosika anay hiroso:

Asa fa
tsy kabary

Danil ISMAEL

Président Directeur Général
INVISO Group

Asa fa
tsy kabary

Danil ISMAEL

Président Directeur Général,
INVISO Group

Ekipa manana vina lavitra sy feno fanoloran-tena

Ireo mpitantana / Ny Filankevi-pitantanan’ny INVISO Group, eo ambany fitarihan’ny fianakaviana ISMAEL, dia ivondronana mpitarika manana vina ary manolo-tena ho amin’ny fanovàna an’i Madagasikara.

Ny fitarihan’izy ireo dia mametraka ny kalitaon’ny asa fanodinana sy ny maha-olona ho ivon’ny fampandrosoana ny faritra tsirairay.

Danil ISMAËL Danil ISMAËL
Président Directeur Général
Shaima ISMAËL Shaima ISMAËL
Présidente de l’ONG Inviso
Shahim ISMAËL Shahim ISMAËL

Directeur Général Groupe

Yanish ISMAËL Yanish ISMAËL

Directeur Général Groupe

Danil ISMAËL Danil ISMAËL

Président Directeur Général

Shaima ISMAËL Shaima ISMAËL

Présidente de l’ONG Inviso

Shahim ISMAËL Shahim ISMAËL

Directeur Général Groupe

Yanish ISMAËL Yanish ISMAËL

Directeur Général Groupe

Ireo zava- nisongadina teo aminay

reo fotoana manan-tantara / Tamin’ny taona 1987 no niorina ny INVISO Group ary nandia lalana miavaka. Niainga tamina fandraharahana tsotra izy ary efa isan’ireo orinasa misehatra eo amin’ny indostria manana ny maha-izy azy am-polontaona taty aoriana.

Tsy nitsahatra nivoatra ny INVISO Group hany ka tafiditra ho anisan’ireo andry iankinan’ny toekarena malagasy ankehitriny, noho ny asa fanavaozana sy fanitarana mitohy nataony.

1981 Dani Pièce

1995 SMTP GROUP

2002 Agrivet Madagascar

2010
Agrifarm & Agrival

2012
Mabel Le choix du goût

2013
Bovima, Ferris Engineering & Agrivet (Sakafon'omby)

2014
ID Motors

2015
First Energy, Agrikoba & LA CITY

2016
Amcho

2018
ID Rental & 2424 MG

2019
NutriFood & FJ Téchnologie

2020
SALAMA (Voalohan-karena)

2021
Renaming INVOSO GROUP
i-lease

2022
INTERKEM
Think chemicals

2024
PIQLA
2424.FR
Publispace

2026
PRODUCTION VEGETALE D'ANTSIRABE

anoloran-tena isan’andro ho an’ny Malagasy


Avadiky ny INVISO Group ho fanoitra ho an’ny fampivoarana ny maha-olona ny tanjaka ananany eo amin’ny sehatry ny indostria. Ny fanomezan-danja ny famoronana harena isam-paritra no laharam-pahamehany amin’izany. Ny fiantraika azo tsapain-tanana no tena fahombiazanay. Manodina ny harena eto Madagasikara izahay mba hisitrahan’ny faritra rehetra tombontsoa, manomboka amin’ireo tanàn-dehibe hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra.

Mba hanatanterahana izany vina izany dia napetrakay ho ivon’ny fandraisanay andraikitra eo amin’ny fiarahamonina ny ONG INVISO. Amin’ny alalan’ny hetsika mivaingana sy azo refesina eny an-kianja no hitondrany fanovana eo amin’ny andavanandrom-piainan’ny tsirairay, ka hanaporofoanay fa ny maha-olona no fototry ny asa rehetra ataonay.

Rejoignez l'aventure humaine

“Chez INVISO Group, nous choisissons d’innover, transformer et exceller pour bâtir le Madagascar de demain. Chez nous, vos compétences deviennent un moteur d’impact réel et votre savoir-faire une fierté nationale. Vous avez l’ambition d’agir concrètement et de relever des défis d’envergure ? Ne vous contentez plus d’observer, devenez acteur du changement en postulant dès maintenant pour donner une nouvelle dimension à votre carrière.


Fandaharanasa Miharina : Fanabeazana sy fizaka-tena mitondra mankany amin’ny fivelarana feno

Ny hanosika ny sekoly ho tontolo feno mitondra fahombiazana ho an’ny ankizy no tanjon’ny fandaharanasa Miharina, ka ny maha-olona manontolo, saina, vatana, fanahy no kolokoloina sy beazina.
Tsy fanohanana tsotra fotsiny araka izany no entiny, fa tosika ho an’ny fampivelarana sy fizakan-tena mba hahamarina ny zotran’ireo ankizy marefo ary hahazoan’ireo fianakaviana sahirana mibanjina ho avy matanjaka kokoa.
Sady miady amin’ny tsy fahampian-tsakafo izahay no miady amin’ny fialan’ny ankizy any an-tsekoly ka mametraka tontolo miaro azy ireo mba hahombiazany sy hahafahany misitraka fitaovana hanatanterahana ny nofinofiny.

Miantoka ny fanjarian-tsakafo ho an’ireo mpianatra izahay amin’ny fanomezana azy ireo sakafo manankerana otrikaina sy ara-pahasalamana, fenitra takian’ny fahavitrihana any an-tsekoly. Manolotra tontolo ahafahan’ny mpianatra mivelatra ihany koa izahay amin’ny alalan’ireo fitaovana fidiovana,
fitaovam-pianarana ary fotodrafitrasa maharitra apetrakay any an-tsekoly.
Mba hampaharitra ny fiantraikan’ny asa ataonay dia entaninay ny tanora sy ny fianakaviany mba hahavita tena ka toloranay fiofanana amin’ny fahaiza-manao mivaingana amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana.
Mametraka tanimboly sy toeram-piompiana akoho amam-borona izahay, ohatra, hampitana izany fahalalana izany.

Tsy manohana ny fampianarana fotsiny ny fandaharanasa Miharina fa mamafy voa ho an’ny fizakan-tena.

Fandaharan’asa Soamadina : ho an’ny fahasalamana feno sy maharitra

Mandray andraikitra amin’ny fametrahana rafi-pahasalamana matanjaka eto Madagasikara ny INVISO Group mba tsy ho sakana ary tsy heverina ho lahatra ny aretina.
Satria mihevitra izahay fa fototry ny fampandrosoana rehetra ny fahasalamana, dia miasa amin’ny sehatra maro izahay mba ho mendrika kokoa ireo olombelona mila fitsaboana sy fanaraha-maso ara-pahasalamana ny hopitaly ary mba hahazo tolotra ara-pahasalamana araka ny tokony ho izy ireo marefo eny anivon’ny fiarahamonina.
Manampy amin’ny fanatsarana ny fandraisana eny amin’ny hopitaly sy ny fanohanana ara-tsakafo ireo marary ny asa ataonay,
ary miantoka ny fahafahana mandray andraikitra avy hatrany rehefa misy ny hamehana ara-pahasalamana sy ny vonjy taitra eto amin’ny firenena.

Ny fiarahanay miombona antoka amin’ireo iraka ara-pahasalamana atao manerana ny Nosy sy ny fanohananay azy ireo dia mampitombo
ny fiantraikan’ny asa ataonay eny ifotony.
Ireto hetsika ireto dia ampiarahinay amin’ny ady atao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mba hamerenana ny herin’ireo olona tena marefo.
Ny asa fanohanana ara-pahasalamana rehetra atao ao anatin’ny fandaharanasa Soamadina, izay mampifandray ny firaisankina sy ny fahaiza-manao dia hetsika mitondra fanantenana ho an’i Madagasikara.

Ny fandaharanasa “Ecoles” : avadika ho fanantenana ny hanoanana

Tamin’ny taona 2022 no napetraka ny Fandaharanasa Ecoles, ary nametraka ho laharam-pahamehana ny ady amin’ny fahantrana ka ireo fositra mahatonga ny fialana an-daharan’ireo mpianatra any any an-tsekoly no notafihany voalohany : ny tsy fahatongavana mianatra sy ny tsy fanjarian-tsakafo.

Hoy ny fitenin’ny Ntaolo hoe “Rehefa noana ny kibo, mivezivezy ny fanahy”. Tsy afaka manovo fahalalana ny mpianatra noana. Izany no antony nametrahanay vahaolana azo tsapain-tanana sy mivaingana : fanomezana sakafo mafana mifanaraka amin’ny fenitra apetraky ny ONN, fitaovana fidiovana sy fisitrahana rano fisotro madio,.
Izany no natao dia ny mba hiantohana ny fahasalaman’ny mpianatra tsirairay sy hampifantoka azy bebe kokoa amin’ny fianarana.

Zon’olombelona fototra no entinareo ho anay akehitriny : ny zo hisakafo
Talen’ny EPP Ampangabe

Mitondra fiantraikany amin’ny alalan’ny asa

Efa mazava ny tarehimarika :
Fanoitra lehibe indrindra ahafahana mitazona ireo ankizy marefo sy sahirana any an-tsekoly ny fanjarian’ny sakafon’izy ireo.
Tsy sakafo fotsiny no zarainay ho an’ny mpianatra rehefa manome singa mineraly sy vitamina ilaina ho azy ireo izahay, fa manome azy fahafahana hitombo, hianatra ary hanorina ho avy tsaratsara kokoa.

Afaka mifantoka amin’ny fianarany ny zanakay noho ianareo”.
Hasiniaina, mpampianatra sy ray aman-drenin’ny mpianatra

The MIHARINA programme

The Miharina Program transforms schools into a true ecosystem of success, where education nourishes both body and mind. More than just support, it is a strategic lever for empowerment, designed to stabilize the educational journey of the most vulnerable children and to give disadvantaged families the opportunity to build a more secure future.

By directly addressing food insecurity and school dropout, we create a protective environment where every student regains dignity and the means to pursue their ambitions.

Our action ensures full nutritional security through fortified meals, essential pillars of classroom vitality, while also providing a comprehensive environment for development, including hygiene, educational materials, and renovated infrastructure.

To ensure long-term impact, we introduce children and their families to self-sufficiency through the transfer of practical agricultural skills, such as the creation of school gardens and poultry farming units. With Miharina, we do not simply support schooling—we plant the seeds of lasting resilience for Madagascar.

 

 

Soamadina Program: for a healthy and resilient human health system

The Soamadina Program embodies INVISO Group’s commitment to a Malagasy healthcare system where illness is no longer seen as an inevitable fate. Because health is the foundation of all development, we act across all fronts to humanize hospitals and secure the care journey of the most vulnerable populations. Our actions restore dignity to patients by concretely improving hospital comfort and nutritional support, while ensuring immediate responsiveness to life-threatening emergencies and national health crises.

Through strategic, cutting-edge partnerships and continuous logistical support for medical missions, we amplify the impact of our field interventions.

This operational strength is further reinforced by a determined fight against malnutrition, aimed at sustainably restoring the vitality of fragile populations. By combining solidarity and expertise, the Soamadina Program transforms every act of care into an act of hope for the Great Island.

Schools Program: transformer la faim

Launched in 2022, our SCHOOLS Program aims to break the cycle of poverty by tackling the root causes of school dropout: malnutrition and absenteeism. Because a child cannot learn on an empty stomach, we implement a range of concrete solutions—nutritious hot meals that meet ONN standards, hygiene kits, and access to clean water—to ensure every student has the health and focus needed to succeed.

“Today, you are giving us a fundamental right: the right to food.”
Principal of Ampangabe Primary School.

Impact through action. The evidence is clear: nutrition is one of the most powerful tools for keeping vulnerable children in school. By providing essential minerals and vitamins, we are not just offering meals—we are giving children a real opportunity to grow, learn, and build a future.

“Thanks to you, our children can finally concentrate.”
Hasiniaina, teacher and parent of a student.


Programme Miharina :
cultiver l’émancipation par l’éducation et l’autonomie

Le Programme Miharina transforme l’école en un véritable écosystème de réussite où l’éducation nourrit autant le corps que l’esprit. Plus qu’un soutien, c’est un levier d’émancipation stratégique conçu pour stabiliser le parcours des enfants les plus exposés et offrir aux familles vulnérables la chance de se projeter vers un avenir solide.

En luttant de front contre la précarité alimentaire et l’abandon scolaire, nous créons un environnement protecteur où chaque élève retrouve la dignité et les moyens de ses ambitions.

Notre action garantit une sécurité nutritionnelle absolue grâce à des repas fortifiés, piliers indispensables de la vitalité en classe, tout en offrant un cadre d’épanouissement complet incluant hygiène, matériel didactique et infrastructures rénovées.

Pour pérenniser cet impact, nous initions les jeunes et leurs familles à l’autosuffisance par la transmission de savoir-faire agricoles concrets, tels que la création de potagers et de poulaillers scolaires. Avec Miharina, nous ne nous contentons pas d’accompagner la scolarité : nous semons les graines d’une résilience durable pour Madagascar.

Programme Soamadina:
pour une santé humaine et résiliente

Le Programme Soamadina incarne l’engagement d’INVISO Group pour un système de santé malgache où la maladie n’est plus une fatalité. Parce que la santé est le socle de tout développement, nous agissons sur tous les fronts pour humaniser l’hôpital et sécuriser le parcours de soins des plus vulnérables. Notre action redonne de la dignité aux patients en améliorant concrètement le confort hospitalier et le soutien nutritionnel, tout en assurant une réactivité immédiate face aux urgences vitales et aux crises sanitaires nationales.

À travers des partenariats stratégiques de pointe et un appui logistique constant aux missions médicales, nous multiplions l’impact de nos interventions sur le terrain.

Cette force de frappe se double d’une lutte acharnée contre la malnutrition pour restaurer durablement la vitalité des populations fragiles. En unissant solidarité et expertise, le programme Soamadina transforme chaque soin en un acte d’espoir pour la Grande Île.

Programme ÉCOLES :
transformer la faim ten avenir

Lancé en 2022, notre Programme ÉCOLES brise le cycle de la précarité en s’attaquant aux racines de l’abandon scolaire : la malnutrition et l’absentéisme. Parce qu’un enfant ne peut pas apprendre le ventre vide, nous déployons un arsenal de solutions concrètes — repas chauds enrichis selon les normes de l’ONN, kits d’hygiène et accès à l’eau potable — pour garantir à chaque élève la santé et la concentration nécessaires à sa réussite.

« Aujourd’hui, vous nous apportez un droit fondamental : celui de se nourrir. »

Directrice de l’EPP Ampangabe.

L’impact par l’action Les chiffres sont clairs : la nutrition est le levier le plus puissant pour maintenir les enfants vulnérables sur les bancs de l’école. En fournissant des minéraux et vitamines essentiels, nous ne distribuons pas seulement des repas ; nous offrons une chance réelle de grandir, d’apprendre et de bâtir un futur.
« Grâce à vous, nos enfants peuvent enfin se concentrer. » > Hasiniaina, enseignante et parent d’élève.