Vaovao mahafaly ho an’ny fianakaviana sy ny ireo rehetra tia tsakitsaky. Namoaka voamadinika misy sokola anaty fonosana azo atao am-paosy ny Nutrifood. Mora entina ary amin’ny vidiny takatry ny rehetra ity vokatra ity. Natao ho sakafo maraina ary azo atao tsakitsaky hohanina amin’ny fotoana rehetra.
Vokarina 100% eto Madagasikara ny Nutrifood, ary izy irery no voamadinika vita malagasy sady maneho ny fahaiza-manaon’ny Malagasy no mampiaina fahafinaretana rehefa misakafo.