Telopolo taona izay ny SMTP no nisehatra sy niasa tam-pitiavana tamin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Hatramin’ny volana oktobra no hanamarihan’ny orinasa izany daty manan-tantara izany amin’ny alalan’ny fanehoana ny fahaiza-manaony eo amin’ny sehatrasa misy azy, tahaka ny fanamboarana fantsona plastika, ny fanodinana ny fako plastika ary ny fanamboarana koveta sy sinibe isan-karazany.
Hanehoanay ny fankasitrahana ny fahatokisanareo anay, dia manolotra tolotra miavaka sy hetsika maro natokana ho an’ireo mpiara-miombona antoka sy mpanjifa ny orinasa mandritra ny herintaona fankalazana ity tsingerin-taona ity.
Havaozinay hatrany ihany koa ny fanomezan-toky efa napetrakay amin’ny fampiarahan-dalana ny fahombiazana eo amin’ny sehatry ny indostria sy ny fiarovana ny tontolo iainana ato anatin’ny folo taona manaraka. Manasa anareo izahay hiaraka aminay hamadika ny fanamby atrehina ho vahaolana maharitra sy lovainjafy ho an’ny isam-paritra. “