La City Ivandry dia manohy manohana hatrany ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy amin’ny alalan’ny fanokafana ny toerana City Art sy Food Court ho an’ireo mpanakanto sy fikambanana misehatra eo amin’ny kolontsaina. Mipetraka ho toerana ahafahan’ireo talenta avy eto an-toerana maneho ny fahaiza-manaony ireo sehatra roa ireo.
Araka izany dia mandray anjara amin’ny fikarakarana fampisehoana, fampirantiana ary hetsika ara-kolontsaina isan-karazany miaraka amin’ireo mpiara-miombona antoka aminy, tahaka ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, ny onjam-peo Radio des Jeunes ary ireo fikambanana hafa ny La City Ivandry. Endrika hanehoan’ny INVISO Group ny fanandratany ireo talenta sy ireo fahaiza-manaon’ny mpanakanto malagasy ny fandraisany anjara amin’ireo hetsika ireo. “