Mampiray sy manamafy ny INVISO Group ny kolontsaina
Ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy dia anisan’ny hery manosika ny asa sy ny vina entin’ny INVISO Group ho an’i Madagasikara.
Ho fankalazana ny Taom-baovao Malagasy dia nandray an’i RABENANDRASANA Lalao François tao amin’ny foibeny ny Inviso Group. Nizara ny soatoavina sy ny hevitra manodidina ny Asaramanitra tamin’ireo mpiasa ity mpikambana ao amin’ny Akademia Malagasy sady mpikambana ao amin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy ity. Nampitombo ny fihavanana teo anivon’ny ekipa ihany koa ny fifaninanana ohabolana natao nandritra ny fotoana, ka nanamafy fa ny soatoavina nentin-drazana no iray amin’ireo fototry ny firaisankina sy ny fahombiazana.”



